♦ Tsy nampihemotra ny mpiasan'ny JIRAMA tsy hitokona omaly ny didy fanerena niasa nosoniavin'ny Ministry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo. Manome 24 ora ny filohan'ny Repoblika ny mpiasa mitokona hamaha ny olan'ny orinasa... ♦ Nohamafisin'ny valin'ny fitiliana ny singa nalefa tany Frantsa fa nisy poizina mahery vaika ny sakafo nohanin'ireo olona nanatrika ilay fanasana nahafatesana olona 28 teny Imerinkasinina... ♦ Azo ovaina ny lalam-panorenana raha toa izay no mahasoa ny firenena hoy ny sekretera jeneralin'ny vovonana IFI, ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra... ♦ Nanaiky ny hanafaka takalon'aina israeliana miisa 10 ny vondrona Hamas...

Ny Lahika dia tsy maintsy manaiky ho tantanina amin'ny fampianaram-pinoana mba tsy hivaona amin'ny lalana nosoritana ho azy, ny lalan'ny fahamasinana. Ny Eveka sy ny Pretra no mpampianatra ny Lahika voalohany. Fadiana ny manaraka na mivavaka amin'olona na mifototra amin'ny firehin-kevitra manokana... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

• Voamarina fa fanapoizinana niniana natao no nitranga teny Ambohimangakely, izay nahafatesana olona am-polony, raha ny vokatry ny analyse natao tany Frantsa... • Nanomboka androany teny Soanierana ny fitokonana fanairana ataon'ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Manome 24 ora ny fitondram-panjakana izy ireo mba hamahana ny olana... • Adihevitra misokatra ny momba ny fanamabrana an-kolaka nataon'ny olom-boafidy tany Matsaitra Ambony, amin'ny tokony hanohizan'ny Filoha am-perinasa ny fitantanana ny firenena, ka hanovana ny Lalam-panorenana, hoy ny Vovona IFI...

♦ Manome fe-potoana 24 ora hitadiavana vahaolana momba ny fitakiana ireo mpiasan'ny JIRAMA. Feno hipok'ireo mpiasa ny foiben'ny JIRAMA eny Soanierana, izay toerana anaovan'izy ireo fitokonambe... ♦ Namoaka "ordre réquisition" ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo ny maraina teo, manoloana ity fitokonamben'ny mpiasan'ny JIRAMA ity... ♦ Mitaky ny marina momba ny antony nahatonga ireo fahapoizinana ara-tsakafo niseho tato ho ato ny Kmf/Cnoe. Namoaka fanambaràna momba ireo olana ara-tsôsialy samihafa misy ity mpikambann'ny Firaisamonim-pirenena ity... ♦ Notafihan'i Rosia tamin'ny alalan'ny Drones +700 isa i Ukraine omaly...

Ny zokiolona, vehivavy, dia efa miaina, tonga sy tafiditra amin'ny vanim-potoanan'ny fitsaharana. Rehefa miha mahazo taona ny vehivavy dia mihena tsikelikely ny ely, izay mampientana ny taovam-pananahana sy ny mahaolona, ary misy fiovana eo amin'ny vatana, ohatra mihamanify sy fotsy ny volo. Ny fiovana misy ety ivelan'ny vatana vehivavy zokiolona dia tsy aretina fa ara-boajanahary, anefa ireny mety hiteraka hitakika tsinahy... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Hanao fitokonambe manomboka anio ny tambaben'ny mpiasan'ny JIRAMA manerana ny nosy. Hifampitaona eny Soanierana ireo mpiasa eto Antananarivo, taorian'ny hetsika ny herinandro teo... ♦ Ben'ny Tanàna 45 avy amin'ireo tanàn-dehibe aty amin'ny ranomasimbe Indiana no mihaona eto Antananarivo, nanomboka omaly... ♦ Tsy mbola nahitàna mangirana ny fikarohana ilay Sambo A.W niainga tany Mahajanga hatramin'izao. Mitohy ny fikarohana io sambo sy ny antony nampanjavona azy tany an-dranomasina, raha ny tatitra ny eo anivon'ny APMF... ♦ Hiditra ao anatin'ny fampiasana ny vola Euro i Bulgarie manomboka ny volana janoary 2026...

Amin'ny  maha mpiandry ondry ny Eveka dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka sy be herim-po izy amin'ny fanahafana an'i Jesoa Kristy ka hazoto sy hanetritena hatrany amin'ny fanatontosana ny adidiny. Amin'ny fanatanterahany amin-kitsim-po sy am-pitiavana ny asany, miampy ny hanitry ny fitiavam-bavaka ao aminy no hanamasinan'ny Eveka ny tenany... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

• Herinandro tao aorian'ny fitakiany, tsy afapo amin'ny valintenin'ny fitondrana ny tambaben'ny mpiara-miasan'ny Jirama. Hitokona izy ireo manomboka rahampitso, araka ny fanambarana androany... • Ben'ny Tanana miisa 45  aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana no mivory eto an-drenivohitra. Mizara traikefa sy fahaiza-manao momba ny hetra sy ny fizakan-tena ary ny fampandrosoana ara-toekarena, eny anivon'ny kaominina izy ireo... • Efa miaina ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro ireo kaominina manamorona ny lalam-pirenena fahatelo, ka nanangana tetikasa hiatrehana izany fiovan'ny toetrandro izany, miaraka amin'ny fikambanana samihafa ao aminy...

♦ Hiteraka fahavoazana ny fanosehana ny filoham-pirenena hanitatra ny fe-potoam-pitondràny fanintelony, hoy ny Profesora Ralison Roger, manoloana ny vaovao niparitaka tato ho ato... ♦ Tafakatra 49 isa ireo olona matin'ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe nanerana an'i Madagasikara, tao anatin'ny iray volana latsaka herinandro. Tsy nahenoina fanazavàna intsony ireo tompon'andraikitra ambony, efa herinandro mahery izao... ♦ Vola 70.000 Ariary hatramin'ny 1.000.000 Ariary no ilaina ho an'ny ankizy iray, amin'ny fidirany mianatra amin'ny taom-pianarana ho avy io. Efa mila miomana amin'izany indray ny ray aman-dreniny amin'izao roa volana mialoha izao...

Ramanetaka dia governora an'i Mahajanga tamin'ny andron'i Mpanjaka Radama. Raha araka ny tetiarana dia Printsy Malagasy amin'ny laharan'ny olona mandova fanjakàna avy amin'i Radama-I, izy satria zanaky ny Mpiray tampo amin'i Radama. Tsy nanana zanaka anefa ny Mpanjaka Radama, ny Mpanjaka Ranavalona-I no nandimby azy ka nampamono izay mety ho mpandova fahefana sy fanjakàna mba hanjakany ankalalahana, noho izany dia nitsoaka tao Comores i Ramanetaka. Rehefa niorom-paka sy nifanandrina tamin'ny tompom-pahefana tao Comores izy dia lasa Mpanjaka tao, nandray ny anarana Abdou-Raman...

• Andro faharoa ny anio amin'ny fanadinana Bakalorea Katolika. Mpiadina maherin'ny 64.000 avy amin'ny Sekoly Katolika no miatrika izany manerana ny nosy... • Vao mainka mitotongana ny vidin'ny lavanila any amin'ny Faritra Sava ankehitriny. Nidina hatrany amin'ny 5.000 Ariary ny kilaon'ny lavanila maitso, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka avy any amin'iny Faritra iny... • Tolotra asa arivo isa no homena ireo mpitady asa mandritra ilay hairanty momba ny Call Center eny Andavamamba. Mbola tsy ampy satria mpiasa 60.000 no tadiavin'ireo orinasa mandraharaha eo amin'ity sehatra ity eto amintsika...

Miseho amin'ny endrika maro ny fahamasinana, niainga tamin'ny safidim-piainana manokana ny famaliana ny antso ho amin'ny fahamasinana, ny maro nijanona ho lahika, fa ny sasany niroso tamin'ny fanokanan-tena ho pretran na relijiozy.Ho fikatsahana ny fahamasinana dia miara-misalahy sy mifanome tanana hifanompo sy hifampitondra mankany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...