♦ Misy ireo dingana tsy maintsy hajaina na dia manjavozavo aza ny lalàna amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao, hoy ny CENI... ♦ Manana ny maha izy azy ny vehivavy Malagasy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana... ♦ Manameloka ny gaboraraka ka nahavery ireo sokatra tao amin'ny valanjavaboahary Tsimbazaza, ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa...

Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 6, 2-6)

Mihainoa, ry Israely: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Matahora an’Andriamanitra Tomponao ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao,
ary tandremo ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao,
amin’ny andro rehetra hiainanao, mba hohalavaina ny andronao.
Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany,
mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao,
any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely;
araka ny nolazain’ny Tompo Andriamanitry ny razanao anao.
Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika, dia Izy ihany no Tompo.
Tiava ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab

Mamiko Ianao, ry Tompo, fa heriko!

Mamiko Ianao, ry Tompo, fa heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.

Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!

Veloma ny Tompo! Hisaorana ny vatolampiko!
Hasandratra ilay Andriamanitra mampandresy.
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 7, 23-28)

Maharitra mandrakizay i Kristy, ka manana fisoronana tsy manam-pifandiasana.

Ry kristianina havana, maro no natao mpisorona tamin’ny Testamenta taloha
satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra;
fa i Kristy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandiasana.
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy,
satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika:
masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voàvaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa
ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa,
fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe:
fa ny tenin’ny fianiànana taorian’ny Lalàna kosa dia nanendry ny Zanaka,
Izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Izany no didy voalohany. Ary ny faharoa dia mitovy aminy ihany koa.

Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna nanatona an’i Jesoa
ka nanontany Azy izay voalohany amin’ny didy rehetra.
Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:
Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo, sy amin’ny sainao manontolo, ary amin’ny herinao manontolo.
Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo”.

Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy:

“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo,
ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra, sy ny fanatitra hafa rehetra”.

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy:

“Tsy lavitra ny Fanjakan’Andriamanitra ianao”.

Ary hatramin’izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny fandraisana fanapahan-kevitra dia anisan’ny dingana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray, indrindra ny tanora. Noho izany, tsara ny mamantatra ireo dingana rehetra mba afahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra matotra sy voalanjalanja. Satria noho ny zava-misy dia maro ny mandray fanapahan-kevitra ao anaty korontana, toy ny disadisa, alahelo, na hafaliana be loatra. Izany matetika dia miteraka nenina ary mety hanakorontana na hanimba ny ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

♦ Nahatsiaro sy nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny Sinaodin'ny Eveka tanterahana any Roma... ♦ Mbola tsy manome sehatra ny vehivavy ny antoko pôlitika, hoy ny CNFM. Zara mantsy raha misy 6%-n'ireo kandidà Ben'ny Tanàna no vehivavy... ♦ Nitondra valin-teny fohy momba ny valin-kafatra nentin'i Comores manoloana ilay fanapahan-kevitry ny fanjakana malagasy ho fisorohana ny fihanaky ny valan'aretina Choléra, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rasata Rafaravavitafika...

Ny kristiana dia izay matoky ny fitiavana lavorarin'ny Rainy, ka miaina ny maha zanaka taha-dRay azy, eny fa na dia amin'ny fomba mbola tsy lavorary loatra aza. Fanomezana maimaimpoana ho an'ny mahantra ny fanjakàn'ny lanitra ka izay mieboebo ho manana ny ampy, fa tsy miantehitra amin'ny lovan'ny Ray dia handova ihany, fa tsy ho amin'ny fiainana mandrakizay...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

♦ Nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François amin'izao famaranana ny Sinaodin'ny Eveka any Roma izao. Manazava ny momba ny famaranana ny Sinaody i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Telonjato monja ny isan'ireo vehivavy mirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, araka ny antontan'isa nomen'ny CENI... ♦ Nitondra valin-teny fohy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, manoloana ny fampitam-baovao nataon'i Comores momba ny fanidiantsika ny sisin-tany...

♦ Hifarana amin'ny alahady 27 oktobra ho avy izao, amin'ny alalan'ny Sorona Masina hotarihan'i Papa François ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera, ny Synaodin'ny Eveka, andiany faha-16... Nihaona sy niresaka tamin'i Papa François ny Evekan'Antsirabe mandray anjara amin'izao sinaody any Roma izao, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Manana ambasadaoro vaovao eto Madagasikara i Afrika-Atsimo. Nanolotra ny taratasy manendry azy tamin'ny filohan'ny Repoblika Malagasy Andriamatoa Khazamula Lawrence Chabane... ♦ Misedra olana ireo varira ao Farafangana. Miantso ny Fanjakàna hijery akaiky ny zava-misy ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ity distrika ity sy ny fikambanana varira...

1 nôvambra 2024 — Ny Olomasina rehetra — Fankalazana manetriketrika — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

31 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)

30 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelopo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)

29 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)

28 ôktôbra 2024 — Masindahy Simôna sy Joda, Apôstôly — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...