31 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe:

“Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina.”

Dia hoy Izy tamin’ireo:

“Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe:
Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso,
fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko.
Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso;
satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema,
izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao,
impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao
tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo!
Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe:
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...