♦ Niaiky ny ministry ny fanabeazam-pirenena fa mbola misy ny olana amin'ny fanabeazana eto amintsika ary tsy lavorary ny paik'ady nampiharina amin'ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna... ♦ Nanatitra fitarainana teny amin'ny Bianco sy ny Pac mahakasika ilay raharaha volamlena 73,5kg androany ny antoko politika Madio... 

♦ Nifanojo mivantana tamin'ireo inspecteur du travail nanao fitokonana teny Antsahavola omaly ny ministry ny asa sy ny fampananana asa sy ny asam-panjakàna ary ny lalàna sosialy... ♦ Mizarazara ny hevitr'ireo mpianatry ny ENS manoloana ny fanambara'ireo mpitarika amin'ny hampitsaharana ny fitakiana, taorian'ny dinika natao omaly... 

Talata 12 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28

♦ Niafara tamin'ny fanimbana zavatra sy fandrombana tao amin'ny Oniversiten'Antsiranana, ny hetsiky ny mpianatra alina... ♦ Nanaitra ny mponina teny Ampasanimalo sy ny manodidina ny fipoahana mafy nitranga omaly tokony ho tamin'ny 10 ora maraina... ♦ Mitohy ny fametraham-pialana ataon'ireo tompon'andraiki-panjakana any Etazonia...

♦ Tsy misy indrafo ho an'izay rehetra tompon'andraikitra tamin'ny fanondranana ireo volamena 73,5kg tatra tany Afrika Atsimo... ♦ Tanjona iray no iombonan'ny mpisehatra ara-pôlitika, dia ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Mbola miteraka ady hevitra any Etazonia ny fanafihana sy herisetra nitranga tao amin'ny Capitole...

Alatsinainy 11 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20

Alahady 10 janoary 2021 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11

Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny hena vokarina ny tsy fahalavorarian'ny sakafo omena ny biby fiompy. Mbola ambany ny fampiasàn'ny tantsaha mpiompy ny provandy hanatsaràna ny sakafon'ny biby fiompy mba ahazoana vokatra tsara kalitao... 

♦ Nambara ofisialy androany ny anaran'izy 12 mianadahy lany ho loholon'i Madagasikara nandritra ny fifidianana natao ny 11 desambra teo. Ny talata 19 janoary izao no hivory voalohany ireo mpikambana vaovao... ♦ Nidina an-dalambe androany ny mpianatry ny ENS tao Antsiranana. Niafara tamin'ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana izany, nisy ireo mpianatra voasambotra... 

Ny «cyber-citoyenneté» dia fandraisan' ny olom-pirenena anjara ao anatin' ny fiainam-pirenena amin`ny alalan' ireo tambazotran-tserasera. Noho ny firoboroboan'ny teknolojian'ny torohay sy ny serasera, mipetraka amin' izao ny fandraisan' andraikitry ny olom- pirenena ao anatin' izy ireny : fizarana vaovao mari-pototra, fanehoan-kevitra voahevitra amin'ny raharaham-pirenena. Ny fahafahana manao izany anefa dia tsy afa-misaraka amin'ny fanajana ny lalàna amin'ny fandraisam-pitenenana, na anaty tambazotran-tserasera aza...

♦ Olana ho an'ny tanàna maro eto Madagasikara ny fitombon'ny fako sy ny fiparitahany. Manimba ny endriky ny tanàna sy ny rivotra hiainana ny fako ka tsy vitsy ny mpitantana ny kaominina no mikaroka vahaolana hifehezana izany, ary isan'ireny ny Kaominina Antsirabe... ♦ Misy karazany miisa fito ny soka-dranomasina manerantany ary ny dimy dia hita eto amin'ny fari-dranomasin'ny ranomasimbe indiana, i Madagasikara dia ahitana maromaro, amin'ny faha-30 taonany vao afaka manaranaka ny sokatra...

♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zony ny mpianatry ny ENS ao Ampefiloha. Niditra an-tsehatra nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Telo no voasambotra, naratra ny filohan'ny fikambanan'ny mpianatra... ♦ Toherin'ny filoha amerikana Donald Trump sy ny mpomba azy ny voka-pifidianana filoham-panjakàna ka nahalany an'i Joe Biden. Iray no maty vokatry ny hetsika nataon'izy ireo tao amin'ny foiben'ny kongresy amerikana omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...