Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ambanin’ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy? Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino." Dia hoy indray Izy: "Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy."
Tamin’izany andro izany i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe : “Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina, fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo, ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny.” Ary hoy Izy : “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.” Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy taminy: “Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.” Dia hoy Izy : “Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra ? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny ; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela ; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.”
Tamin’izany andro izany, tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy. Fa nisy olona maro nanodidina Azy, dia nilazana Izy natao hoe : "Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao". Fa novaliany hoe : "Iza moa no reniko sy rahalahiko ?" Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe : "Ireo no reniko sy rahalahiko ; fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko".
Tamin’izany andro izany, niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe : "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy ; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino : Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny".
Alarobia 20 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6
Mikaikaiky noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana na ny fahataran'izany ny tantsaha amin'ny faritra maro tamin'ity taom-pambolena ity. Tsy ampy ho an'ny fanombohana ny famokarana ny rotsakorana amin'ny fiandohan'ny taom-pahavaratra tamin'ity taom-pambolena 2020 sy 2021 ity...
Talata 19 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28
♦ Handray an-tanana ny fanampiana ireo olona avy any atsimo tonga eto an-drenivohitra mba hihazo ny faritra nosafidiany ny mpitondra fanjakàna... ♦ Nisy nivarotra tamin'ny vahiny ny ampahany amin'ny tendrombohitra Ambohitrandriananahary. Fahaverezan'ny kolontsaina malagasy ny famarotana ity vakoka manan-tantara ity...
Sehatra voalohany ifankaherezana sy ifanohanana ny fianankaviana. Ny fankaherezana ny zanaka dia manampy azy hanorina ny maha-izy azy, hivelatra ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ka antoka ho an'ny hoaviny. Ny fifankaherezan'ny mpivady dia mampiroborobo ny fifankatiavana sy manampy azy ireo hanatsara hatrany ny fifandraisany, ary mampivelatra ny maha-olona ny tsirairay...
Ny fifandraisana eo amin' ny Raiaman-dReny sy ny zanaka. (01-01-2021)
♦ Ny politikan'ny fambolen-kazo dia nohatsaraina, nomena lanja " Ny fambolen-kazo ilaina ary manakaiky ny vahoaka" ohara zaza iray mamboly hazo iray. Maherin'ny 75.000 Ha ny fitambaran'ny velarana hovolena hazo manomboka ity volana janoary ity... ♦ Ny nonoka dia zava-maniry ao anatin'ny fianakaviamben'ny "Moracées", manana haavo 1,5 hatramin'ny 3,5 metatra, zava-maniry manasitrana aretina maro...
Alatsinainy 18 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco