♦ Ho tanterahana rahampitso eny Ambohidahy ny lanonam-pitsaràna manetriketrika hanaovan'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny HCC ny fianianana... ♦ Vao mainka nampitombo ny olana teo amin'ireo mpirakidraharaham-pitsaràna ny tsy fisian'ny fifaninanana handraisana mpirakidraharaha vaovao, tao anatin'ny telo taona nifanesy... ♦ Hisy fiatraikany mivantana amin'ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialin'ny olona ny fahavitan'ny lalambe migodàna mampitohy an'Andranobevava sy By Pass... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...