Sabotsy 10 avrily 2021 — Sabotsy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15

Ny Vaovao Mahafaly dinihintsika androany dia mamintina ny fisehoan’i Jesoa tamin’ireo mpianany taorian’ny fitsanganany ho velona, araka ny itantaran’ireo evanjelista telo hafa, izay novakintsika nandritra ny herinandro.

Sarotra tamin’ireo mpianatra ny nino, raha nitantaran’ireo namany sasany izay nahita mivantana an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty. Eny sarotra tokoa ny nino izay nitranga na dia efa nambaran’i Jesoa tamin’izy ireo matetika aza izany, fony izy niaraka niriaria taminy. Izany tsy finoana izany dia vokatry ny hamafisam-po.

Na izany aza anefa dia nirahin’i Jesoa ireo iraika ambin’ny fololahy nisehoany mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona rehetra. Ny olona rehetra mantsy no tian’i Jesoa ho voavonjy. Mbola maro ireo tsy mino an’i Kristy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika, manana adidy hitory an’izany isika kristianina. Voaantso isika handray anjara amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy amin’ny endriky ny fanazavana sy fivoasana ny tenin’Andriamanitra ihany, fa eo koa ny fisehoana ho modely amin’ny fomba fiainana andavanandro izay maneho an’i Kristy velona eo amin’ny tena, eo amin’ny fanampiana ara-pitaovana ireo olona izay mitory ny Vaovao Mahafaly, sy ny fomba maro hafa. Koa enga anie izay mankalaza ny mistery fototry ny finoantsika sy miaina ny hafaliana entin’izany mba hiezaka hitory an’i Kristy Vaovao Mahafaly araka izay azontsika atao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...