♦ Feno 10 taona anio 13 marsa ny naha-Filohan'ny Eglizy Katôlika maneran-tany ny Papa François... ♦ Namoizana ain'olona miisa 22, ny loza nahazo ny sambo saika handeha antsokosoko any amin'ny nosy Mayotte tamin'ny Sabotsy alina... ♦ Nahato vonjy maika ny fampiharana ilay "droit de sortie" na tataon-ketra manokana amin'ny fanondranana ny vatosoa any ivelany, ary apetraka ny haba tokana amin'ny fanondranana... ♦ Maherin'ny 7.000.000 isa ny olona lasibatry ny hain-tany, vokatry ny fiovan'ny toetr'andro any Irak. Hamboly hazo hatrany amin'ny 5.000.000 fototra noho izany ny governemanta Irakiana...

♦ Mitaky ny hamoahan'ny Governemanta ny daty raikitra hanatanterahana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena sy Ben'ny Tanana amin'ity taona ity, ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Hanome fanampiana amin'ny maha olona ho an'i Madagasikara, maherin'ny 15 tapitrisa Euros, ny Vondrona Eorôpeana, ho an'ity taona 2023 ity. Fanampiana noho ny takaitra samihafa navelan'ny rivodoza Cheneso sy Freddy... ♦ Olona valo no namoy ny ainy, vokatry ny fivadihan'ny fiarabe iray mpitatitra olona, tany amin'ny Lalam-pirenena faha-10, any atsimon'ny nosy...

Manomboka ny alakamisy ny hateloana andro masina. Ny Alakamisy Masina no fanombohana izay hanamarihana ireto lafin-javatra ireto : ny namoronana ny Sakramentan'ny Eokaristia, eo koa ny fahatsiarovana ny fanasana ny tongotry ny Apôstôly, amin'io andro io koa ny fanaovana ny fanamasinana ny menaka masina, ary indrindra ny fanavaozana ny fanomezan-toky ataon'ny Pretra ho amin'ny Eveka. Ny fiekem-pinoana dia nisy konsily niresaka azy manokana indrindra ireo andian-teny mandrafitra azy : nijaly faha Pontsy Pilato, nofatsihina tamin'ny hazo fijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambanin'ny tany, nitsanga-ko velona tamin'ny andro fahatelo.

Ny alahady 16 avrily 2023 no nanamarihana ny fetin'ny famindram-pon'Andriamanitra. Ny bazilika lehibe ao Roma :  st Jean de Latran, St Pierre vatican, Ste Marie Mageur, St Paul hors le mur ; ireo bazilika ireo dia samy manana ny atao hoe varavarana masina, izay sokafana amin'ny fomba manokana rehefa misy ny taon-jaobily ireny. Manana ny anjara toerana lehibe amin'ny fanomezana ny "indulgence" manontolo ireo bazilika ireo, antsoina hoe alitaran'ny Papa, izay izy irery no afaka manao lamesa ao.

Ny boky no mirakitra an-tsoratra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina ary ny fitsipi-pitondratena. Isan'ny boky tranainy indrindra ny "vedas" izay boky ampiasain'ny Indo, ary saika avy amin'io  boky io no loharano nipoiran'ny tantara masina maro resahina amin'ny finoana maro samihafa. Ny "baiboly" ihany koa dia voasokajy ho isan'ireo boky tranainy. Ny "Baiboly" no boky maro mpividy indrindra araka ny fanadihadiana. Mifamatotra ny finoana kristiana sy ny boky.

Ny antson'Andriamanitra miantefa amintsika amin'ny vanim-potoanan'ny paka dia izay voalaza ao amin'i Md Marka : "...mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voahary rehetra...". Zava-dehibe ny antson'Andriamanitra ho pretra na relijiozy na ho laïka amin'ny fanokanan-tena na ihany koa hanambady.

Hery telo no ananan'ny fanahy dia ny fahalalana, fitadidiana ary fahatelo farany dia ny sitrapo. Ny fahafahana dia ao amin'ny fanahintsika no misy azy. Zava-dehibe ny fahafahana sy ny sitrapo eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Maro ny tokantrano mikorontana, ary betsaka ireo tanora tsy mahafehy tena noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny atao hoe "fahafahana". Miha very hasina ny olombelona noho ny fivohizana loatra ny fahafahana.

Ankehitriny dia betsaka ny zavatra manahirana ny olona ka manosika azy ireny hitady sy hila famonjena. Ny fady dia mifamatotra amin'ny lafim-piainan'ny malagasy, ary mifamatotra amin'ny fiainan'ny kristiana sy ny tanora izay samy mitady sy miandrandra fiadanana sy famonjena. Ny fiangonana anefa metetika no mirona manatsatso sy manameloka ireny fomba amam-panao sy fady ireny ho fomba mahadiso na mandika ireny ho finoanoam-poana. Ny fady dia zavatra na olona tsy azo tononina anarana na tsy kasihana ary tsy azo atao.

Ny fiavonavonana sy ny fahihirana dia isan'ireo fahotana fito fototry ny hafa, fa mifamatotra amin'izany ny fialonana. Ireo toetra ireo dia hita eny amin'ny tontolon'ny fiaraha-monina ary manimba zavatra maro. Maro ireo tsy mandray ny soso-kevitry ny olona manodidina azy fa miolonolona sy mampiseho avonavona. Maro ireo mpanan-karena mahihitra ka tsy mitsinjo ny tombontsoa iombonana.

Manana ny mampiavaka azy ny kristiana Malagasy. Mba hanavahana ny asan'ny fanompoan-tsampy dia eo ny didin'Andriamanitra, telo voalohany : Izaho no Tompo Andriamanitrao, ianao aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy Izaho, manompoa an'Andriamanitra ianao, tiava azy amin'ny fonao rehetra ; aza manonononom-poana ny anaran'Andriamanitra ; mankamasiana ny andro alahady... Misy ny andro fady ho an'ny kristiana dia ny alahady ho an'ny finoana katôlika...

Ny didy aman-dalàna sy ny didin'Andriamanitra no fototra handrafetana ny fitsipika hifampitondra eo amin'ny samy mpiara-belona. Misy amin'ireo lalàna noheverina handrindràna ny fiaraha-monina no tsy mipaka any amin'ny tontolo ambanivohitra, izany hoe tsy ampy ny fahampahafantarana azy ireny. Na nisy aza ny fivoriana nataon'ireo andrim-panjakana mpanao lalàna dia tsy misy fampahafantarana izay lalàna niadian-kevitra sy izay mety ho fampiharana izany.

Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...