4 jona 2023 — Alahady, Ny Trinite Masina — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)

“Lehibe tokoa fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao nomeny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny fiainana mandrakizay”. Miseho amin’ity Evanjely ity ny endrik’Ilay Andriamanitra fitiavana sy famindram-po. Miseho amin’ny alalan’ity zanany malalany ity ny famindram-pony sy ny fitiavany, tsy tonga hitsara na hanameloka fa hamonjy ny olona rehetra. Ka tsy endrik’Andriamanitra mpitsara sy masika teo amin’ny Testamenta Taloha intsony no hitantsika eto, fa Andriamanitra maneho fitiavana sy famindram-po, te hamonjy antsika, izay mamela ny helotsika olombelona.

Ary eto dia tsy hoe maniraka ny zanany tokana fotsiny Andriamanitra haneho ny endriny amintsika olombelona, fa tena miara-maiasa amin’izany ao anatin’ny fitiavana sy ny fiombonana ary ny fifanotronana amin’ny asa atao ho famonjena ny olombelona. Izany no toetran’ny Trinite Masina : mifankatia, mifampihaino, miombona ary mifanotrona amin’ny zavatra rehetra hahasoa ny olombelona. Ireo toetra ireo no tian’i Jesoa hananantsika manohy ny asany. Ka mazava àry eto ny teniny fa izay mino azy dia tsy hotsaraina, satria izay mino azy efa miaina ny fiombom-pitiavana tahaka ny Trinite Masina, efa mahay miombona sy miara-monina satria ao amintsika ny fitiavana, ary izay fitiavana izay no hitsarana antsika, ka inona indray ary no hitsaran’i Jesoa antsika amin’ny andro hihaonantsika Aminy, raha toa ka efa miaina ao antain’ny fitiavany tanteraka isika?

Koa mifampivavaha àry isika mianakavy mba hanjaka eo amintsika ny fifankatiavana sy ny firaisam-po amam-panahy tanteraka, ka hahatsapan’ny olona rehetra fa mino an’i Kristy tokoa isika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...