Anio tolakandro no hiditra an-tanety eto Madagasikara ilay rivodoza Eloise, nitombo hery izy ka lasa "Forte tempête tropicale", raha ny vaovao farany voaray avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro androany maraina.
Talata 19 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28
♦ Feno ireo loholona valo ambin'ny folo mandrafitra ny Antenimierandoholona izay hiasa mandritra ny dimy taona. Niara-nampiaka-tsaina farany tamin'ireo mpiasan'ny Antenimierandoholona androany Andriamatoa Rivo Rakotovao... ♦ Any amin'ny 450km atsinanan'Antalaha no misy an'i Eloise. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alina na ny alarobia maraina...
Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy : “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco