♦ Nihena be ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Mampikony no nisy ny ivony tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Melaky izy rahampitso... ♦ Miandrandra fitoniana maharitra eto amin'ny firenena amin'izao fanombohan'ny fotoam-piasan'ny Antenimerandoholona izao ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...

Nihena ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Maroantsetra no nisy ny foibeny androany tamin'ny 04 ora maraina. Hamakivaky an'i Sofia sy i Boeny ny sisan-drahona miaraka aminy anio tontolo. Rahampitso no tombanana hivoaka an-dranomasina io rivodoza io.

Alarobia 20 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6

♦ Niditra an-tanety ao amin'ny Distrikan'Antalaha ilay rivodoza Eloïse tatsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Niakatra ho 100km/ora ny rivotra entiny, arahana tafiotra 140km/ora... ♦ Filohan'ny Antenimierandoholona vaovao, mandimby an'Andriamatoa Rivo Rakotovao, ny Loholona Razafimahefa Herimanana, kandidà tokana natolotry ny vondrona IRMAR...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...