♦ Nahazo fahafahana vonjimaika misy fepetra ireo Malagasy miisa 03, tratra tatsy Afrika atsimo, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg... ♦ Tsy mbola hikatona ny Oniversite an'Antananarivo eny Ankatso, na misy amin'ireo mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra aza no voalaza fa voan'ny Covid-19. Anton'izany ny fisorohana ny taona fotsy... 

♦ Niampy dimy indray ireo matin'ny Coronavirus eto amintsika, dimy amby zato ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany, momba ny fivoaran'ny Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso omaly, nandritra ny fitokonan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Mpianatra telo no voasambotra teny Vontovorona...

Talata 16 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-16

♦ Mpiadina roa no tratra nanao hosoka nandritra ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... ♦ Samy nihetsika avokoa androany ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona sy ny mpianatry ny Fakiolten'ny Siansa teny Ankatso... ♦ Iray amin'ireo mpanao gazety nanatitra antotataratasy hahazoana misitraka ilay karatra maha matianina kosa ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...