Talata 16 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-16

Lehilahy iray izay marary tsy afa-nandeha nandritry ny valo ambitelopolo taona indray no nanoloana an’i Jesoa. Nanantena ny ho sitrana izy rehefa nihetsiketsika ilay dobo atao hoe Betesdà nefa ny marary hafa foana no tonga eo alohany, nefa koa tsy mba nisy nanampy azy tamin’izany. Nanana faharetana izy satria dia nifanena tamin’i Jesoa ihany.

"Mitsangàna , ento ny fandrianao ka mandehana", io no tenin’i Kristy tamin’ny fanasitranana izay nataony. Tsy niteny mihitsy i Jesoa hoe : "Mijanona eo ary miderà an’Andriamanitra noho ianao sitrana". Midika izany fa asain’i Jesoa ity lehilahy ity mba handray an-tanana ny fiainany. Tsy izay ihany, fa i Jesoa akory tsy nanasitrana mba ho tafiditra ao anatin’ny fiaraha-monina fotsiny ity lehilahy ity fa niteny ihany koa Izy hoe : "Indro efa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray ny manjo anao". Izany hoe mila miahy ihany koa izy ny fiainam-panahiny mba tsy ho latsaka ao anatin’ny fahotana satria io no mitondra mankany amin’ny fahafatesana izay ratsy lavitra noho ny aretina.

Amin’izao vanim-potoana ny Karemy izao, dia tokony hiaiky isika rehetra fa mpanota ary ny fangatahana ny famindram-pon’Andriamanitra irery ihany no afaka manasitrana antsika amin’izany. Aoka àry isika mba hanana fanapahan-kevitra tsara aorian’ny fibebahana fa tsy faly fotsiny hoe tafaverina mihavana amin’izy Andriamanitra.

Manasa antsika àry i Jesoa amin’ity Evanjely ity mba hikarakara ny fiainam-panahintsika. Atolony ho antsika maimaim-poana ny famonjena nefa kosa anjarantsika ny miezaka araka ny tokony ho izy mba ho mendrika izany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...