Zoma 25 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4

♦ Nanao famerenana farany amin'ny matso eny Mahamasina amin'ny 26 jona izao, androany tolak'andro, ireo mpandray anjara amin'izany. Hisantatra ny matso ny sabotsy izao ny fisidinan'ny fiaramanidin'ny Tafika an'abakabaka... ♦ Notokanan'ny Filoham-pirenena androany, ny lalana Rocade-n'Iarivo, mirefy 8,2 km. Vola 62,8 tapitrisa Euros no nentina nanamboarana izany tao anatin'ny roa taona...

Valanjavaboarin'i Tsimanapetsotse, Nosy Ve Androky dia mampifandray ny ala tsilo, ny ranomasina ary ny olombelona. Tamin'ny taona 2014 dia nanana velarana 203 525ha io valanjavaboary io. Nosokajian'ny UNESCO ho isan'ny valanjavaboary bolanaina fahadimy misy eto Madagasikara, manampy an'i Mananara-Avaratra Sahamalaza, Nosy Radama, ny morontsirak'i Toliara Kirindy Mitea, ary Beloha-sur-mer... 

♦ Misokatra azon'ny be sy ny maro ampiasaina ny lalam-baovao Rocaden'Iarivo, mampitohy an'Antananarivo renivohitra amin'Avaradrano. Notokanan'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina ny asa vita... ♦ Kaominina Antsirabe ambonivohitra : Hijoro manoloana ny fitantanana tsy mahomby ireo mpanolontsaina ivelan'ny IRK... ♦ Manomboka miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha indray ankehitriny ny varotra ronono amin'ireo faritra mpamokatra taoriana sy noho ny Covid-19... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...