Nifankahazo am-po avy hatrany tamin'ity vahinin'ny toby notsenainy i Noro. Line Bordas: Malagasy reny fa Frantsay kosa ny rainy.

Alatsinainy 16 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27.
Tsy zavatra roa samy hafa akory izay nataon'i Joany Batsita sy i Jesoa, fa iray ihany dia ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Samy avy amin'Andriamanitra, saingy i Joany dia mpialoha làlana fotsiny ihany fa i Jesoa kosa no mpanatanteraka.

Maty efa am-bolana maro ny rain'i Nary, saingy tsy nampahafantarin'i renin'i Noro azy mihitsy.

15 desambra 2019 — Alahady faha-3 amin'ny fiavian'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 2-11 — Antomotra ny Noely, izay fotoana lehibe ho an'izao tontolo izao, satria Izy Andriamanitra amin'ny alalan'ny Zanany no miditra eo amin'ny tantaram-piainantsika olombelona, hitondra fanavotana sy fiainam-baovao mba hahatonga ny Fanjakany ao am-pon'ny tsirairay sy ao amin'ny fiainantsika olombelona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...