Alakamisy 09 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15 — Andriamanitra no mampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Tohin’ny Evanjely efa naroso ho antsika teto omaly araka ny fitantaran’i Matio azy ity haroso ho antsika androany ity. Mitantara mahakasika indrindra ny nanirahan’i Jesoa ireo Apôstôly, ny vontoatin’ny iraka, ny tokony hatao any amin’ny toerana hanirahana ary ny fepetra rehetra miandry ny olona irahina : rentsika tamin’ny Evanjely teo izany. Voalazany omaly hoe handroaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina ary hamafisiny izany androany fa miavaka tsara kosa no ilazany azy fa voafintin’ny hoe “torio fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra”. Ireo zavatra asain’i Jesoa ataon’ny Apostoly, fa tohizintsika ankehitriny koa, dia Izy mihitsy no nanao izany voalohany araka ny efa voalazantsika teto hoe i Jesoa tsy miteny fotsiny fa manatanteraka ihany koa. Izy avokoa no efa nanao ireto zavatra mahakasika ny iraka ampanaoviny rehetra ireto dia ny manasitrana ny aretina isan-karazany, ny manangana ny maty, ny manadio ny boka sy izay endrika loto rehetra ary ny mandroaka demony na ny mamela fahotana. Anisan’ny zavatra mianjady amin’ny fiainan’ny olona ankehitriny tokoa izany rehetra izany ka ilan’izy ireny ny fanamaivanana avy amintsika fa izany no endriky ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny Fanjakan’Andriamanitra toriantsika dia mba hanome fahafahana tanteraka ny olona, hanome fiadanana azy, hanolotra hafaliana azy ary hanome fanamaivanana sy fankaherezana azy amin’ny sedram-piainana hiaretany. Izany ilay tenin’i Jesoa tamin’ny Apôstôly sy amintsika hoe “nahazo maimaim-poana ianareo ka manomeza maimaim-poana ihany koa”. Ny fahasoavana izany azo maimaim-poana izany ka tokony hozaraintsika maimaim-poana ihany koa.

Ny fomba entina manatanteraka izany moa no hafatrafatra manaraka, izay raha fintinina dia aoka tsy hisy zavatra manohintohina na mamatopatotra na manakatsakana antsika manatanteraka izany. Ho antsika manatanteraka iraka àry, tsarovy fa tsy hamela antsika ho irery na ho kamboty i Jesoa. Efa teniny izany ary fampanantenana nataony talohan’ny hiakarany any amin’ny Ray fa tsy hamela antsika ho kamboty izy. Voalazany teo fa mendrika omen-kanina ny mpiasa. Fantany foana ny hanoanan’ireo olona manatanteraka ny iraka ampanaoviny ireo. Matetika izy no miteny an’ireo hoe aza manahy ny ho ampitso, dia izany indrindra no tsy tokony hampiahiahy antsika fa raha tena matoky azy tanteraka isika ary matoky ny Fanahy Masina mitantana sy miaraka amintsika, dia tsy misy tsy ho vita na tsy ho ampy enti-manatanteraka ny iraka. Mahereza àry fa iraka avokoa isika rehetra noho ny Batemy noraisintsika, ary ankino amin’i Jesoa izany iraka izany fa hanampy antsika mandrakariva izy na dia izay heverintsika fa sarotra indrindra aza.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...