Simba ny tontolo iaina, ndao hiray hina hanambatra ny hery hamerina ny fihavanana. hasehontsika ny fitiavan-tanindrazana amin'ny alalan'ny fihetsika ataontsika isan'andro, satria i Madagasikara dia tsy LOVA navelan'ny razana ho antsika fotsiny fa indramintsika amin'ny taranaka aza, mba hirehareha ny taranaka hoe "mandova tsara"...
Zoma 25 desambra 2020 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Fifaliana no indro ambarako anareo : Mpamonjy no teraka ho anreo anio, dia i Kristy Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 1-14
Ny antony mahatonga ny fahasimban'ny tontolo iainana : Voalahany ny fanaovana tsinotsinona ny kolontsaina malagasy, raha tsy hiteny afatsy ny ala, ohatra ny "reserve de Bemarivo-Ampasy ; faharoa ny fifindramonina tsy misy fandrindràna, eo koa ny fanapahan-kevitra ambony latabatra avy amin'ny fanjakana mikasika ny fitrandrahana, ary farany dia fambolena mampiasa tavy sy ny fanaovana arina fandrehitra....
♦ Nahazo anarana ilay andro ratsy niforona tao amin'ny ranomasimbe indiana. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'ny morontsiraka avatra sy afovoany atsinanan'ny Nosy i Chalane amin'ny alahady maraina izao... ♦ Nirehitra ny tanàna iray tao amin'ny kaominina Andemaka, distrikan'i Vohipeno, trano 100 mahery no ravan'ny afo...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco