Zoma 25 desambra 2020 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Fifaliana no indro ambarako anareo : Mpamonjy no teraka ho anreo anio, dia i Kristy Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 1-14

0 : 00

Miarahaba antsika nahatratra izao Noely izao. Enga anie i Jesoa tonga eo anivontsika, miara-monina amintsika hampamokatra izay ataontsika rehetra ka ho feno ny fiadanany ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano, ka tsy hisy ho very anjara amin’ny soa entiny.

Tsy misy kisendrasendra eo anatrehan’Andriamanitra fa efa voasoritra avokoa : eto izao raha niala tany Nazareta tananany i Josefa, niaraka tamin’i Maria vadiny izay bevohoka ka nandeha nankany Jodea ho ao an-tanànan’i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian’i Davida izy, dia tany no nahaterahan’i Maria vadiny. Amin’izao taonan’i Masindahy Josefa izao, mampianatra antsika izy hanara-dalàna, hanaiky ny fandaharan’Andriamanitra, hampandefitra ny sitrapon’ny tena ka hikaroka sy hanaiky io sitrapon’Andriamanitra io. Koa azo lazaina fa isan’ny nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fandaharan’Andriamanitra izy. Meteza koa isika ho toa azy.

Maneho ny fiainantsika olombelona mandray an’Andriamanitra ny nahaterahan’i Jesoa tany an-tranonomby fa tsy nisy toerany tany an-tranom-bahiny, dia isika olombelona zatra manilika Azy Andriamanitra eo amin’ny fiainana, tsy Andriamanitra ihany anefa no ahilika fa eo koa ireny fatritran’olona ireny, ireny fadiranovana, ireny fanao anjorom-bala ireny. Aoka tsy hifanilikilika isika fa misy endrik’Andriamanitra ihany ao amin’izy ireny, fa izay mandray azy ireny mandray an’Andriamanitra. Eto izao dia ny biby indray no nandray ity Zanak’Andriamanitra voalohany ! Koa aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana. Manaraka izany, ny mpiandry ondry, olona mahantra no nilazan’ny Anjely voalohany ity fahasoavan-dehibe ho an’izao tontolo izao ity, ka ireo no tonga nidodododo nankany amin’ity Zaza vao teraka. Toa manambara izany fa tsy natao ho an’ny olona ambony na manam-pahefana ihany ny fahasoavana fa sahaza ny olona rehetra ka tsy tian’Andriamanitra hisy ho very anjara, hatramin’ireny madinika indrindra ireny aza. Mova tsy izany no miseho amin’izao Noely izao, na ireo tsy mankalaza izany aza, tiany handray ny fahasoavana entiny.

Farany ireo mpiandry ondry ireo no nitory voalohany an’i Jesoa Mpamonjy tamin’ny olona satria rehefa nahita izay voalazan’ny Anjely izy ireo dia “nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany”. Adidintsika koa ny manao toy izany amin’izao androntsika izao fa tsy faly fotsiny amin’ny rentirenty ivelany sy ny fankalazana atao any am-piangonana na ny sakafo matsiro ao an-trano fa ny hampiely sy hitory ny fahatongavan’ny Mpamonjy eo anivontsika, eo amin’ny fiainantsika. Hahatsiaro ihany koa ireo tsy afaka mifety amin’izao Noely izao noho ny antony maro. Hitoetra amintsika anie ny fiadanana entin’Izy Mpamonjy amin’izao Noely izao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...