♦ An'arivony isan-taona ny raharaha tonga eny anivon'ny Fitsarana Antampony. Raharaha 50 eo ho eo no sahanin'ny mpitsara iray. Nisokatra androany ny taom-pitsarana 2022... ♦ Hisokatra ho an'ireo mpampiasa vola sy mpandrahraha ny ao amin'ny seranan-tsambon'i Eoala any Taolagnaro amin'ity taona ity... ♦ Trano sivy no may kila forehitra omaly, tany amin'ny Kaominina Ambalatsiroa any amin'ny Distrikan'i Betroka noho ny asan-dahalo. Soa fa tsy nisy aina nafoy, olona 33 no tsy manan-kialofana vokatr'izany...
Ny tsy fitovian’ny finoana arahina eo amin’ny mpivady dia tsy mampisy vato misakana tsy azo ihoarana ho an’ny fanambadiana, raha vitan’izy ireo ny manakambana an’izay noraisin’ny tsirairay tamin’izy ireo tao amin’ny Fiangonany sy mampianatra ny andaniny sy ny ankilany ny fomba izay niainan’ny tsirairay ny fifikirana amin’i Kristy. Fandalinana momba ny Fanambadiana kristianina, miaraka amin'i P Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Manentana ny kristianina rehetra mba hifarimbona amin'ny voin-kava-mahatratra ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Notokanana tamin'ny 23 janoary 2022 ny fiangonana vaovao ao Ankatafana, Diôsezin'i Mananjary... ♦ Manentana ny kristianina rehetra hanahaka ny majy amin'ny fanarahan-dia an'i Jesoa ny Papa François, tamin'ny famaranana ny herinandrom-bavaky ny fiombonan'ny kristianina maneran-tany...
Nanao izay ho afany tamin'ny fampandrosoana eny amin'ny tontolo ambanivohitra tany amin'ny Faritra Vakinakaratra ny Vovonana SOAMIARADIA. Vondrom-pikambanana hankalaza ny faha-20 taona nijoroana amin'ity taona 2022 ity.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco