Nanao izay ho afany tamin'ny fampandrosoana eny amin'ny tontolo ambanivohitra tany amin'ny Faritra Vakinakaratra ny Vovonana SOAMIARADIA. Vondrom-pikambanana hankalaza ny faha-20 taona nijoroana amin'ity taona 2022 ity.

Tanjona sy ny vinan'ny vovonana Soamiaradia ny hanampy ireo tantsaha mba hiroborobo eo amin'ny famokarana ny fambolena sy ny fiompiana handresena ny fahantrana. Miasa amin'ny alalan'ny vaomiera ny vovonana, dia ny vaomieran'ny fiompiana, ny vaomieran'ny fahasalamana, ny fampianarana, ny tontolo iaianana ary ny vaomieran'ny vehivavy sy ny tanora, ka amin'ny alalan'ireo no hanaovana ny asa fampandrosoana hanampiana ny tantsaha.

Azo lazaina fa andalan'ny fahatrarana ny tanjona nofaritana tany amboalohany  ny vovonana hoy ny filohany Randrianaivo Philibert amin'izao faha-20 taonany izao. Maro ny foto-drafitr'asa momba ny fampianarana no natsangana tamin'ny alalan'ny herim-pon'ny fikambanana tamin'ny faritra niasany.

Nahavita be tamin'ny sehatry ny fahasalamana ihany koa ny vovonana Soamiaradia ka maro ny tobim-pahasalamana nohatsaraina. Natolotra tamin'ny volana desambra teo ohatra ny asa vita tamin'ny fanavaozana ny CSB-II ao Manandona hoy ny filohan'ny Vovonana, Randrianaivo Philibert.

Nisedra fahasahiranana nefa ny voly vary aloha tao Manandona any amin'ny Faritra Vakinakaratra tamin'ny taona lasa iny. Nisy akony ratsy tany amin'ny voly varin'ny tantsaha mpikambana ny tsy fahampian-drano niatrehana ny fambolena hoy Andriamatoa Randrianaivo Philibert. Na eo aza ny olana amin'ny fambolena, manarina izany any amin'ny sehatry ny fiompiana ny mpikambana ao amin'ny Soamiaradia.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...