Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hatao ny tombana araka ny asa vita, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Nitsidika ny filohan'ny antenimeram-pirenena ny filohan'ny Ceni. Nifantohan'ny dinika ny momba ireo volavolan-dalàna tokony apetraka momba ny fifidianana... ♦ Hoamafisina ny fiarovana ny ala honko eto Madagasikara. Maherin'ny 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola atolotry ny governemanta alimana...
Manandratra sy mampivelatra ny fomba fijerintsika ny Tenin'Andriamanitra izay milaza amintsika fa ny vokatra tena izy dia ny vokatra any am-parany, ilay andro farany, andro tsy misy filentehan'ny masoandro intsony. Ny vokatra azo amin'ny fiainantsika sy ny asantsika dia ny " vokatry ny fiainana mandrakizay" (Jo 4,36). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco