Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Hoy mantsy izy hoe: “mangataha dia homena ianareo, mitadiava, dia hahita; dony, dia ho vohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita aryizay mandaodona no hovohana”. Ka nahoana ary eo amin’ny fiaianana an-davanandro no toy ny hoe tsy misy akony ny ezaka ataontsika amin’ny fivavahana? Isika ve no tsy mangataka na tsy mitady na koa hoe tsy mandondona? Tsia, tena mivavaka isika fa ny toe-po sy ny toe-tsaina entina mivavaka no mila fibebahana; mila fanatsarana. Ho antsika kristianina dia tsy ampy ny mandohalika ao am-piangonana, na ny manao rozery mandritry ny iray andro. Fa miaraka amin’ny vavaka ataontsika dia aoka isika ho olona vonona hiasa, olona tompon’andraikitra eo amin’ny fiainana ary olona mandray an-tanana ny fiainana.
Amin’izao fahoriana, fasahiranana ary ireo olana atrehintsika isanandro dia ilaina ny mitalaho, mangataka, mitady an’Andriamanitra ary manao lemozy aza amin’ny fomba fivavahana fa etsy an-danin’izany kosa dia aoka isika ho olona vonona miasa. Satria ny olona tena manana finoana lalina an’Andriamanitra dia olona manana fitiavana hihary sy hiasa mba hivelomany sy hampivelarany ny aina nomen’Andriamanitra azy. Tsy sitrak’Andriamanitra ny hakamoana ary fahotana izany. Koa aoka ary isika ho sady mpivavaka sy matoky an’Andriamanitra no manankina aminy ny fahazotoantsika miasa sy mandray an-tanana ny fiainantsika.
Ry Andriamanitra Andriananahary Babanay o, tsy sitrakao ny fialokalofana ao ambadiky ny hakamoana satria mino sy mivavaka aminao izahay; koa ampio sy ombao ny fahasoavanao izahay ka sady hivavaka no handray an-tanana ny fiainanay isanandro. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...