♦ Tontosa omaly ny "Messe Chrismale" ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Navoitry ny Eveka Mpanampy nandritra ny toriteniny fa misy lanjany lehibe amin'ny fiainana kristianina ny vavaka... ♦ Hitarina ny velaran-tany hambolena ny vokatra ara-biolojia eto Madagasikara. Naseho omaly ny vokatry ny fanadihadiana momba izany... ♦ Navadika ho fandrahonana ho faty ny fitakian'ny tompon-tany ny antony namefen'ny olona iray ny tanin'izy ireo tao Ambohitanety-Alasora... Olona maromaro no nohenoina teny amin'ny paositry ny pôlisy Analamahitsy...
Mamolavola toromarika ara-politika ny fiangonana. Voizin'ny fiangonana ny hasin'ny maha-olona, ny soa iombonana. Ny fifanampiana tsy misalovana andraikitra, zava-dehibe ny soa iombonana izany hoe ho an'ny daholobe ny harena. Mila ezaka miaraka ny soa iombonana ary eo no hisehoan'ny firaisan-kina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alakamisy 14 aprily 2022 — Alakamisy Masina. Fahatsiarovana ny Fanasan'ny Tompo — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15
♦ Androany no natao ny "Messe chrismale" ho an'ny Arsidiôsezin'Antananarivo. Tamin'izany no nanavaozan'ny pretra rehetra ny tokim-panompoana, sady nanamasinana ireo menaka masina fampiasan'ny Fiangonana mandritra ny taona... ♦ Miantso fitoniana ara-pôlitika ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM, noho izao Herinandro Masina izao... ♦ Hitarina ny veleran-tany hambolena vokatra biolojika eto Madagasikara. Hisy ny fandaharan'asa hanatanterahana izany, ka hampitomboina ho 2 hetsy hekitara ny veleran-tany fambolena, raha 7 alina hekitara monja amin'izao...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco