Alakamisy 14 aprily 2022 — Alakamisy Masina. Fahatsiarovana ny Fanasan'ny Tompo — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15

Ry kristianina havana ! Mampiseho ny zava-nitranga tamin’ny sakafo farany niarahan’i Jesoa sy ny mpianany ny Vaovao Mahafaly naroso ho antsika teo araka ny efa voalazantsika teto fa hoe sakafom-pirahalahina tokoa. Androany moa no efa mampiditra antsika amin’ireo andro telo lehibe amin’ny Paka. Amin’ity Evanjely ity no anehoan’i Jesoa amintsika ny tena fitiavana ary hanomezany antsika izany didim-pitiavana izany. Araka ny fomba mahazatra, dia misasa tanana ny Jody alohan’ny hisakafo. Tsy nofoanan’i Jesoa izany fomba izany fa vao mainka aza nampiany fanasana tongotra raha ny hita teto. Izy mihitsy no manasa ny tongotr’ireo mpianany toy ny mpanompo ary miangavy azy ireo mba hifanao toy izany koa. Ankoatra ny maha fanompoana sy fanetren-tena azy, dia fitiavana lehibe no ambaran’ny fanasan-tongotra ataon’i Jesoa.

Fampianarana roa lehibe àry no azo tsoahina avy amin’ity vakiteny masina ity, dia ny fanehoana an-karihary ny finoana amin’ny alalan’ny fanompoana, ary faharoa, ny fanorenana ny Fiangonana eo ambonin’ny fifankatiavana. I Jesoa no Tompo sady mpampianatra. Manome ohatra velona Izy vao mampianatra ; manasa ny tongotry ny Apôstôly Izy ary avy eo mampianatra momba ny fifankatiavana, ny fifanompoana. Hoy izy : "Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavaka anareo no hifankatiavanareo" (Jo 13, 34). Takian’i Jesoa amintsika ny fifanompoana ao anatin’ny tena fitiavana. Iangaviany isika mba hahay mifanampy. Mbola sarotra amintsika manko ny manao izany raha ny zavamisy iainantsika ankehitriny : Tia sy miady ny toerana ambony ary ny ho tompoina any amin’ny sehatra maro samihafa misy antsika any, ary dia manadino tanteraka ny fisian’ny hafa. Rahoviana isika no mba hanome ohatra ho an’ny hafa toy ny nataon’i Kristy ho fanompoana ny hafa. Mazàna na manao izany aza isika dia filan-dera amam-boninahitra na tombontsoa no ao ambadika. Tsy tanteraka velively anefa ny fifanompoana takian’i Jesoa amintsika raha tsy misy fanetren-tena ao amintsika ao, ary tsy maninteraka ny fiainantsika ny Eokaristia ankalazaintsika raha tsy miezaka mifankatia sy mifanompo isika.

Ankehitriny dia mbola miantso antsika mandrakariva ny Fiangonana hiaina ity didim-pitiavana ity, koa manehoa àry ny tena fitiavana marina toy ny nataon’i Kristy.

Andriamanitra ô ! Nomenao anay maimaim-poana ny fitiavana koa ampio izahay mba hahaizanay maneho izany toy ny nampianarin’i Kristy anay, hahafahanay mifanampy sy mifankatia. Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...