NY famadihana dia famindrana toerana ny razana iray natao anirotra na avy amin'ny fasana hafa na ihany koa avy amin'ny faritra hafa ho amin'ny fasana iray. Ny fotoana fanaovana ny famadihana dia amin'ny vanim-potoana ririnina, izany hoe eo anelanelan'ny volana jona sy septambra, ka ny famongarana dia amin'ny faharavan'ny volana ary ny fanitrihana dia amin'ny tsinam-bolana. Ny fitaovana tena ilaina rehefa manatanteraka ny famadihana dia ny tsihy sy ny lamba. Misy dinga maromaro atao amin'ny fanatanterahana famadihana : ny fanomanana, fiantsoana ambiroa, famongarana, fanitrihana... Ireo dingana hisandratan'ny olona manomboka amin'ny fahafatesana : Maty (vatana mangatsiaka), an-dalana maha razana, aorian'ny famadihana dia lasa ho razana mitahy ary mety ho tonga amin'ny hoe zanahary.
♦ Nomena toromarika hampidina ny saran-dalana ho 600 Ariary ireo taxi-be miasa ao an-drenivohitra. Hihatra ny sazy ho an'ireo izay tsy manaraka izany, aorian'ny amin'ny Alakamisy izao... ♦ Hikarakara fihaonam-be ho an'ny fanavotam-pirenena amin'ny faran'ny herinandro izao ny Rodoben'ny Mpanohitra. Fihaonam-be iantsoan'ireo ny antoko politika, sendikà, fikambanana samihafa ary ireo mpikamban'ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Olona iray no tratra nanoro sy nanome valina laza adina ho an'ny mpiadina ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea omaly. Nisy koa ireo nahatratrarana taratasy fiantsoana hosoko, ka natolotra ny mpitandro ny filaminana...
19 jolay — Voalaza fa tao Roma no teraka i Arsène. Lasa diakra izy ary avy eo voatendry ho précepteur ny zanaky ny amperora Théodose I, tao amin’ny lapa tao Constantinople araka ny fangatahan’ny papa Damase I, izay nahalala ny fahamasinany.
Voahaja ny hasin'ny fahafahana, izay maneho fa tokana aman-tany ny isam-batan'olona, rehefa avela hanatanteraka ny antso niantsoana azy manokana ny tsirairay ao amin'ny fiaraha-monina ; rahefa avela hikaroka ny fahamarinana izy ary hanambara am-pahibemaso ny hevitra ijoroany ara-pivavahana, ara-kolontsaina ary ara-politika ; rahefa tsy tampenam-bava. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco