08 mey — I Md Désiré dia teraka tao Sancy tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-6. Nobehazina tamin'ny fitiavam-bavaka kristianina izy sy ny fandalinana ny haisoratra, niaraka tamin'ireo rahalahiny roa, ary fantan-daza tao an-tanàna tamin'ny hatsaram-panahiny.
Tenin'i Kristy tamin'ny Apôstôly ny hoe :" toy ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa" ; tsy hoe asa tsy maintsy tanterahin'ny Eglizy na azo heverina ho tsy laharam-pahamehana akory aza ny maha-iraka fa tena anisan'ny mandrafitra sady maneho ny maha-izy azy mihitsy. Io iraka io no anisan'ny ilazàna fa "apôstôlika" ny Eglizy, ny apôstôly midika hoe voairaka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dolara, hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro avy amin'ny tahirim-bola maitso, i Madagasikara... • Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny Governemanta, ny ankamaroan'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... • Olona dimy mpanao trafikana rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taonina ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana...
♦ Misokatra ho an'ny rehetra manana ny mari-pahaizana bakalôrea ny sekoly ambony mampianatra manokana ny Filôzôfia, tantanan'ny Fikambanan'ny Salezianina "ISSAFI" any Ankofafa - Fianarantsoa... ♦ Handraisana fepetra entitra sy haingana ireo tompon'andraikitra naha-tafa-poritsaka ny kôlônely Rakotomamonjy Patrick, izay natao fanadihadiana tao amin'ny toby hoy ny filoha Malagasy Rajoelina Andry... ♦ Pôlisy amperinasa no nanome ilay "cocarde" nampiasainà teratany vahiny tsy ara-dalàna tany Behenjy Faritra Vakinankaratra hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka... ♦ Natomboka tamin'ny alalan'ny Lamesa ny Conclave androany 7 mey...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco