• Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dolara, hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro avy amin'ny tahirim-bola maitso, i Madagasikara... • Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny Governemanta, ny ankamaroan'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... • Olona dimy mpanao trafikana rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taonina ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...