♦ Mpandraharahan'ny fonja miisa 500 no navoaka tany amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpandraharahan'ny fonja, na ny ENAP ao Tetezambato Toamasina. Mbola tsy ampy anefa ny isan'izy ireo eto Madagasikara amin'ny ankapobeny... ♦ Hakatona tanteraka amin'ny fomba ôfisialy, afaka iray volana, ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny Tarika Ny Ainga. Fankalazana izay efa naharitra roa taona... ♦ Misongadina amin'izao faran'ny herinandro izao ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ireo lalao ara-panatanjahan-tena eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena...

♦ Hanatanteraka fidinana an-dalambe, entina hanehoana firaisan-kina amin'ny Malama, na i Mahery Lanto Manandafy, ireo olona akaiky azy. Hisy ny dia an-tongotra miainga eny Ampefiloha, hiazo an'i Tsiadana, ho an'ny eto Antananarivo... ♦ Sakana lehibe amin'ny fanajana ny zon'ny olom-pirenena eo amin'ny habaka, ny tsy fisian'ny lalana mifehy izany, hoy ny ivom-pandalinana ny tontolon'ny serasera marolafy eto Madagasikara, na ny Ilontsera...

22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.

Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana rehefa tena tia ka tsy mitady ny tombontsoany manokana fa mikaroka ny ahasoa ny ankohonany. Ny fifankatiavan'ny mpianakavy no mampisy firaisan-kina sy tena mamelona ny fiainana. Mila mandalina ny atao hoe "tena fitiavana" ny raim-pianakaviana mba ahafoana ny fanjakan-dehilahy sy ny tsy refesi-mandidy. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...