Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.
Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro. Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro."
♦ Anatin'ny visite ad limina, fitsidihana sy fivahinianana masina any Roma ny Evekan'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nihaona tamin'ireo Malagasy mipetraka ao Roma renivohitr'i Italie ny Eveka omaly... ♦ Mila jerena manokana ny velon-tenan'ireo mpifindra monina eto amintsika mba tsy hanimban'izy ireo ny ala hoy ny filohan'ny Fikambanan'ny mpanao gazety misehatra amin'ny tontolo iainana, Njaka Andriantefiarinesy... ♦ Efa milamindamina ny tsy fandriampahalemana ao amin'ny distrikan'i Belo amoron'i Tsiribihina Faritra Menabe tato anatin'ny tapa-bolana izao, araka ny nambaran'ny solombavambahoaka, Rabemanantsoa Jeannot...
♦ Nizotra am-pilaminana ny hetsika filaharana an-dalambe notarihan'i vadin'i Mahery Lanto Manandafy tao an-drenivohitra ny faran'ny herinandro teo. Mbola hanohy ny hetsika ny any Fianarantsoa... ♦ Tafita any amin'ny dingana manaraka afaka hiady ny amboaran'i Afrika amin'ny taona 2023 ny Maki-vehivavy. Resin'izy ireo ny ekipam-pirenena tonizianina ny faran'ny herinandro teo... ♦ Baolina kitra, resin'i Gabon tetsy Mahamasina tamin'ny isa iray noho aotra ny Barea latsaky ny 23 taona... ♦ Any Chine, voafidy ho mpitarika ny antoko kaominista ary hitondra ny tany sy ny fanjakàna fan-telony indray ny filoha sinoa Xi Jiping...
24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco