Ny mpandimby ny Apôstôly, izany hoe ny Eveka, no eken'Izy Jesoa Kristy ho mpiandry ondry ao amin'ny Egliziny Vatany Masina mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Izany no mahasarotiny ny Eglizy ka hitandremany mafy mikasika ny fomba hifidianana izay ho Eveka hiahy ny ondrin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Talata 20 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

♦ Milona efa ho telo volana eo anivon'ny Primatiora ny rijan-tenin-dalana mamaritra ny maha mpanolotsaina ny Governemanta ny filankevi-panjakana. nangataka ny Filohan'ny Repoblika, mba hamoahana ny didim-panjakana momba izany ny Tonia Mpampanoa ambony, eo anivon'ny Fitsarana Antampony... ♦ Voaporofo fa avy eto Madagasikara no niaingan'ireo volamena 73 kilao tratra tany Afrika Atsimo, hoy ny Tonia voalohany Mpampanoa lalana, eo anivon'ny PAC...

♦ Efa tafatsangana ny kaomisiôna 11 handrafitra ny fanomanana ny fanamasinana ho eveka, an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay hotontosaina amin'ny volana janoary 2023... ♦ Tontosa ny fomba fangatahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, nataon'ny delegasôna avy amin'ny diôsezin'Ambaja tao amin'ny diôsezin'i Morondava... ♦ Notsofin-drano omaly ny Birao vaovao hitantana indray ao anatin'ny efa-taona ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...