Mba haha-iray tsy mivaky na dia ny fivondronan'ny Eveka aza, dia nofidian'i Jesoa Kristry i Masindahy Piera hitarika ireo Apôstôly sisa rehetra. Najorony izy ho loha sy fototra, mandrakizay sy hita maso, ho an'ny finoana sy ny fiombonan'ny Eglizy manontolo. Araka izay voalazan'ny Soratra Masina : Ianao no Piera Vato, eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko... Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Alarobia 21 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45

♦ Am-perinasa, manohy ny asan'ny Birao teo aloha, ny Birao vaovaon'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora. Tontosa teny amin'ny CNPC Antanimena, ny fampitan-draharaha tamin'ny Birao teo aloha... ♦ Hampihena ny fahasahiranan'ny mpiasam-panjakana mikarakara ny antontantaratasy ilainy ny rindram-baiko vaovao Augure. Natomboka tamin'ny ôfisialy androany tetsy amin'ny CCI Ivato ny fampiasana azy... ♦ Natolotra ireo mendrika tamin'ilay fifaninana matematika nokarakarain'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny loka ho azy ireo...

♦ Ao anatin'ny vinan'ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines ny hanao ny sidina reziônaly aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana sy Afrika-Atsimo... ♦ Nanomboka ny 15 desambra lasa teo hatramin'ny 15 janoary 2023 ny fialan-tsasatry ny fitsaràna. Natao hamitàna ireo vary mangatsiaka tsy vita nandritra ny taona izany hoy ny Ministry ny Fitsaràna fa tsy midika ho fikatonan'ny fitsaràna... ♦ Tokony ho mailo sy hitandrina foana ny rehetra, fa efa lasa aretina mipetraka mandavan-taona ny Covid-19 ; indrindra ho avy indray izao ny fety, fotoana mahabe olona amin'ny teorana rehetra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...