Sabotsy 7 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12

♦ Hotsiahivina amin'ny taranaka faramandimby ny fampianarana nataon'ny Papa Emérite Benoît XVI, hoy ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, raha nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany, avy nanatrika ny fandevenana azy tany Vatican... ♦ Fandikan-dalàna ny fanafenana entam-barotra toy ny vary, ka handray ny andraikitra tandrify azy ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Tratran'ny fifidra-monina an-tanàn-dehibe ny ao Toliara-I hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana RABEHAJA Jean. Tsy mandrara ny fifindra-monina ny lalàna misy saingy tsy voaomana handray ireny, ny foto-drafitr'asa misy ao Toliara hany ka miteraka olana ara-tsôsialy...

Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 16 hatramin'ny 18 jona 2022 ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fizakan-tena ara-tsakafo. Resy lahatra ny fitondram-panjakana fa ny fambolena no fanoitra ho enti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy fitaovana ho enti-mampandroso ny firenena, ary afaka hampitombo ny harin-karena hoy ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana izany...

♦ Mbola mijanona ho hetaheta aloha hatramin'izao ny fanirian'ireo diaspôra malagasy handray anjara amin'ny fifidianana tanterahana eto Madagasikara... ♦ Manahy amin'ny tsy hahatratrarana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy araka ny famaritan'ny CENI ny eo anivon'ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Miantso fitoniana indrindra ny fampiharana ny lalàna ny solombavambahoakan'i Miarinarivo manoloana ny nandefasana ny nofo mangatsiakan'ilay tovovavikely 15 taona tany amin'ny Kaominina Manazary... ♦ Taona voasokajy ho isan'ny nampitondra faisana an'i Etazonia noho ny fisian'ny loza voajanahary nifanesy ny taona 2022...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...