Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 16 hatramin'ny 18 jona 2022 ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fizakan-tena ara-tsakafo. Resy lahatra ny fitondram-panjakana fa ny fambolena no fanoitra ho enti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy fitaovana ho enti-mampandroso ny firenena, ary afaka hampitombo ny harin-karena hoy ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana izany...

Ho apatraka eto amintsika ny antenimieran'ny tantsaha, izay ho sata vaovaon'ny tranoben'ny tantsaha ; ho apetraka koa ny antsoina hoe "Guichet agricole", any amin'ny distrika rehetra manerana ny nosy. Hisy birao fanomezana torohevitra mahakasika ny fananan-tany sy fanomezana ny tany ao anatin'izany, izay ahitana ireo mpahay lalana sy mpitsara. Isan'ny soso-kevitra naroson'ny filohan'ny repoblika ireo, hanatrarana ny fahavitan-tena ho an'i Madagasikara ara-tsakafo.

Nohenoina avokoa moa ny soson-kevitry ny mpisehatra rehetra amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, hitomboan'ny vokatra, ahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana. Nokendrena tao anatin'izany ny fandravonana vahaolana mahomby sy maharitra ho an'ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono hoy ny ministra Ramilison Harifidy.

Mino sy manantena ny mpamokatra hoy ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasionaly Razafimbololona Angeline fa raha tanteraka antsakany sy andavany ireo hevi-dehibe nivoitra dia tsy hisalasalana fa hitarika any amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra izany ary hahavita tana ara-tsakafo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...