Ny fitotoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao dia nanomboka nahazo vahana teo amin'ny iraka ataon'ny Eglizy ny taon-jato faha-20. Misy heviny maro ny momba io fitoriana amin'ny endriny vaovao io satria samy nivohy izany na ny Papa Joany Paoly-II na ny Papa Benoît XVI. Ny tena nantsoina hanao io fomba fitoriana io dia ireo tao Eraopa sy Amarika-Avaratra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
Alarobia 1 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Ny voambolana "Hefina" sy ny "Aro" dia misy heviny maha samy hafa azy. Ny hefina dia fiarovana mba tsy ho voakasika isany fifampikasoana malefaka, ohatra hefin'akanjo (blouse); ny aro kosa dia hampiasaina indrindra amin'ny izay tsy havoa ny loza na dona na ako zavatra iray, ohatra arokòna na arodona (pare-chocs). Ny tovona "hay" dia entina hanamarihana fahaizana mifehy zavatra iray, ohatra Haitao vaovao. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.
I Jesoa Kristy Tompo no maniraka antsika hitory ny Evanjely amin'ny olona rehetra. Midika izany fa mbola misy olona tsy mandre ny Evanjely. Ny hoe "mitory ny Evanjely" dia manambara amin'ny olona ny Zanak'Andriamanitra. Tsy mijanona eo amin'ny hoe miteny fotsiny, fa ihany koa mitarika ny olona hahatsapa sy hiaina ny fitiavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco