Alarobia 1 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Fomba maro no nentin’i Jesoa naneho ny maha Izy azy amin’ny maha Irak’Andriamanitra azy, na tamin’ny fampianarana, izany na tamin’ny alalan’ireo asa mahagaga nataony kanefa dia ny mpiray tanana aminy indray eto no tsy nino Azy. Tsy hoe velom-panotaniana ny aminy fotsiny izy ireo, fa tafintohina mihitsy aza, ka nahatonga azy tsy nanao fahagagana.

Tamin’ireo toerana nolalovan’i Kristy, dia tsy misaraka ny atao hoe: “finoana sy fahagagana”. Antony, ireo fahagagana nataony no famantarana ny asa nanirahana azy; iraka izay “hamerina indray ny olombelona ao amin’Andriamanitra amin’ny fanafahana azy ireo amin’izay mangeja azy sy mampisaraka azy amin’Andriamanitra”. Ary ny fahagagana no azo lazaina fa valy omen’i Kristy ireo mino Azy: “ny finoanao no nahavonjy anao” Mk 5, 34.

Eto anefa dia ireo iray tanana amin’i Kristy indray no tsy nahatsapa ny zava-tsoa sy ny fitiavan’Andriamanitra ao Aminy. Takon’ny zavatra eto ivelany ny masony ka tsy nandeha araka izay itondran’Andriamanitra azy; dia ny lalan’ny finoana handraisana ny famonjena entin’i Kristy ho an’izao tontolo izao.

Toe-piainana mety hiseho io indraindray, rahefa ny fiheverantsika olombelona no mialoha ny zavatra rehetra, ary ny fiheverana mialoha no miteraka fisalasalana, ka zary lasa sakana tsy handraisana na hametrahana ny maha izy azy ny tsirairay amin’ny toerany sy ny andraikiny. Nanjo an’i Kristy izany; tsy fatiantoka ho Azy anefa, fa fahavoazana ho antsika nanana tombon-dahiny fa nanidy fo.

Angataho Andriamanitra, hanokatra ny fontsika handraisantsika ny hafany sy ny teniny amin’ny alalan’ireo manodidina antsika, mba handraisantsika hatrany ny fitiavany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...