♦ Niroso tamin'ny fanamabram-panana teny amin'ny Bianco androany, ireo tompon'andraikitra ambony, eo anivon'ny fandraharahana ny fonja... ♦ Tafakatra ho 1300 Ariary ankehitriny, ny iray kapoaka amin'ny vary, any amin'ny Kaominina Ampasinambo, Ditrikan'Ifanadiana... ♦ Tsy maintsy hisy ny fifidianana amin'ity taona ity, hoy ny CENI. Hikatona tanteraka amin'ny 10 jona 2023, ny lisitry ny mpifidy...

♦ Nitokona noho ny olan'ny famatsiana rano efa naharitra dimy volana, ny mpianatra teny Ankatso... ♦ Nanao hetsika fanairana teny Antaninarenina vokatry ny tsy nandraisany ny volany, efa ho telo volana, ireo mpandraharaha mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana... ♦ Mangataka ny hamerenana ny fanadihadiana ireo efa-dahy voasaringotra tamin'ny halatra varira tao Amboasary Atsimo, ny fikambanana Albinos Madagascar...

Ny fivoaran'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly : Azo atao ny mampiasa ny fitaovana môderina rehetra mba entina mampita ny Evanjely. Ny fitaovana môderina toy ny tranokalam-pifandraisana, ny fahitalavitra sy ny onjam-peo, izay tokony hampiasaina ara-drariny fa tsy entina hamotehana ny mpiara-belona na hanimba ny fifandraisana amin'Andriamanitra.  Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Zoma 3 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...