Miseho amin'ny endrika maro samihafa ny tsy finoana an'Andriamanitra : io no fositra lehibe indrindra amin'izao andro izao. Ny fihamboana tafahoatra ho olona afaka dia mitarika tsy hino an'Andriamanitra. Miseho ho zava-nianarana sy nalamina ny tsy finoana an'Andriamanitra amin'izao andro izao ka asesiny mafy ny olona haniry hizaka tena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

♦ Ao anatin'ny fanaraha-maso ireo fepetra hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin'ny FEC sy FRD ny iraky ny FMI tahirim-bola iraisam-pirenena ankehitriny... ♦ Nisitraka fampitaovana momba ny "informatique" avy amin'ny PNUD entina hanohanana ny fanavaozana ny asam-panjakàna i Madagasikara... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny fanaovana vaksiny Mpox eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, mbola latsaky ny 10.000 isa no vita vaksiny, ankehitriny... ♦ Fandresena tanteraka ho an'i Etazonia ny fampitsaharana ny ady any Moyen-Orient, mandritra ny 2 herinandro...

♦ Fikorontanana noho ny fandaminana avy amin'ireo orinasa mpaninjara solika sy ny fiakaran'ny filàn'ny mpanjifa no mahatonga ny tsy fisian'ny lasantsy amina tobin-tsolika sasatsasany amin'izao hoy ny OMH... ♦ Hihaona amin'ny MInistry ny Fahasalamam-bahoaka hiresaka momba ny olan'ny fahataran'ny pré-salaire an'izy ireo anio ny Union de Internes de Madagascar (UIM)... ♦ Tanterahina ny talata 14 avrily izao etsy amin'ny CCI Ivato ny fanokafana ny Fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora hiarahana amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena...

Na sokajiana ho olon-dehibe aza ny olona iray dia azo antoka foana fa misy zavatra hafa mety tsy hananany traik'efa taminà andram-piainana. Ny olon-dehibe dia efa matotra, efa tompon'antoka amin'ny fiainany, mahaleo tena sy manana traik'efa. Tsy fanabeazana intsony no tena omena ny olon-dehibe noho ireo traik'efa efa ananany, fa tantsoroka no omena azy, izany hoe fanampiana. Ny fientanam-po dia tokony ho hay ny fitantanana azy sy ny fanahy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...