"Hay kay ny fitondran'Andriamanitra ny fiainantsika ity, dia arakaraka izay manendrika antsika. Ny voloko kosa ve izao dia hitovy amin'ny volon'i Rossy, izaho efa sola."

« Hasambarana sy hafaliana ho antsika rehetra ! », izay ny firariantsoa omen'i Frera Dieudonné Stéphane, sdb, misionera any Guatemala, amin'izao fanombohan'ny taona 2020. "Manantena aho fa tsara fanombohana ho anareo rehetra ity taona ity". Zarainy amintsika eto àry ireo zava-nitranga mahafinaritra niainan'izy ireo.

Teraka tamin'ny 19 Jolay 1932 i mompera Lorenzo SCARFONE ary natao Batemy tao Scilla any amin'ny faritra Calabria any Italia. Tao amin’ny Bazilikan’i Md Joany ao Latran (Roma) no nandraisany ny sakramentan'ny fankaherezana.

Tamin'ny Alahady 26 Janoary lasa teo no nankalazana ny fetin'ny Don Bosco tany Toamasina. Satria mbola tsy manana trano fivavahana isaky ny alahady ny any an-toerana dia teo an-tokotany no nanatanterahina izany. 

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...