Tamin'ny Alahady 26 Janoary lasa teo no nankalazana ny fetin'ny Don Bosco tany Toamasina. Satria mbola tsy manana trano fivavahana isaky ny alahady ny any an-toerana dia teo an-tokotany no nanatanterahina izany. 

Zava-dehibe ny finiavan'ireo mpino kristianina tamin'ny fankalazana ny Eokaristia, ravahan’ny tontolo manodidina voajanahary sy mahafinaritra.
Miombona amin’ny Katolika maneran-tany isika mankalaza ny « Andron'ny Tenin'Andriamanitra » tamin’io andro io. Jesoa dia TENY, tonga ho olombelona sy mpamonjy. Nandray tsara ny Tenin’ Andriamanitra i Don Bosco ary nanova ny fiainany manontolo ho Tenin' Andriamanitra ho an'ny tanora. Ny filamatra DA MIHI ANIMAS CAETERA TOLLE dia nohajain'i Dominique Savio tsara rehefa niditra tao amin'ny oratorio Don Bosco izy: "Azoko tsara, fivarotana fanahy zany no ato!"

Nosokafana tamin'ny famakiana misesy ny Teny ny fankalazana, narahana hira sy dihy. Ilay amboarampeo, izay ireo mpanabe ny ankamaroany mandrafitra azy, no nitarika ny litorjia. Fotoam-pivavahana tsotra no notanterahina tamin'izany ka mpino kristianina manodidina ny 250 eo ho eo no tonga naira-niombom-bavaka. Nisy ny fizarana ny Evanjely ho an’ireo mpanabe sy kristianina nentina nanamarihana ny andro, ary nanasana azy ireo ny hiaina ny Tenin’Andriamanitra. Tao aorian'izay dia ny kermesy no nandrafitra ny tontolo andro. Samy faly sy nilalao avokoa ny olona rehetra ary indrindra ny ankizy. Nanasongadina ny maha-lehibe ny fananana toe-tsaim-pianakaviana eo amin'ny Salezianina ny fiaraha-misakafo ara-pianakaviana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...