Ny boky no mirakitra an-tsoratra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina ary ny fitsipi-pitondratena. Isan'ny boky tranainy indrindra ny "vedas" izay boky ampiasain'ny Indo, ary saika avy amin'io boky io no loharano nipoiran'ny tantara masina maro resahina amin'ny finoana maro samihafa. Ny "baiboly" ihany koa dia voasokajy ho isan'ireo boky tranainy. Ny "Baiboly" no boky maro mpividy indrindra araka ny fanadihadiana. Mifamatotra ny finoana kristiana sy ny boky.
Mila fahaizana mandanjalanja ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera mba tsy hanimbana ny soatoavina toy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ny fihavanana, ny fifaneraserana. Tsy tokony hanimba ny maha izy anao sy ny hafa ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera fa tokony ho entina mampivoatra ny maha-olona hita ao amin'ny fanabeazan'ny Soratra Masina sy ny Eglizy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
23 aprily 2023 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Taona A — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
♦ Manolo-kevitra amin'ny tokony hanatsarana ny lalàna mifehy ny fitsarana Avo na HCJ ny Kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Nitondra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana ny antoko Malagasy Miara-Miainga manoloana ny sakana nahazo azy ireo tany Fandriana... ♦ Mikatso eny anivon'ny tahirim-bolam-panjakana ny volan'ny ankamaroan'ny Kaominina ankehitriny... ♦ Vaovao avy any Ivelany : Efa maherin'ny 400 olona ireo maty tao anatin'ny herinandro vokatry ny ady any Soudan...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco