Mandritra ny vola jona isika dia manaja manokana ny Fo Masin'i Jesoa. Ilay Fon'i Jesoa, voatrobaky ny lefona tamin'ny zoma masina ; Fo Masina misokatra, mivaivaim-pitiavana, mampitobaka amintsika amin'ny alalan'ny rà sy ny rano, ireo fahasoavana manadio.

Io Fo voatrobaka io dia miantso sy manasa antsika hibebaka. Anjarantsika ny miondana eo amin'ny tratran'i Jesoa toa ny nataon'i Masindahy Joany apôstôly. Rehefa vonto ny fitiavany isika dia afaka manohy indray amim-pinoana ny làlan'ny fibebahana. Làlana mitozo amin'ny fizàrana ny tamba-java-iainana anaty : fandosirana ny resabe sy ireo teny lava tsy ilaina, tsy sanatria finiavana ny ho hentitra amin'ny tena fotsiny, na faniriana ny ho maona, fa mba handraisana ny fahazarana monina ao amin'ny tena, fahazarana mijery ny atin'ny fon'ny tena ka hizotra miandalana ho naman'ny fanginana, sakaizan'ny vavaka.

Tsy maintsy miroso lavidavitra kokoa anefa isika. Andeha àry ianarantsika ny hitombo ao amin'ny fitiavana. Andeha hirotsaka ao amin'ny sekolin'i Jesoa, Ilay malemy fanahy sy manetry tena ao am-po. Rehefa manaiky ny hiombona amin'i Jesoa isika dia hiova ho fo nofo ny fo vatontsika. Atsipazo ao amin'io afo mivaivaim-pitiavana io ny fontsika mba voadio tanteraka.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...