Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Nanomboka afak'omaly ny fivoriam-be fanaon'ny Fivondronamben'ny Eveka isan-taona... ♦ Mamotika ny olom-pirenena sy ny fiaraha-monina ary ny demôkrasia ny fiparitahan'ny vaovao tsy marina, ka nahatonga ny Ministeran'ny serasera hamolavola lasitra sy aro fanina hiadiana amin'izany... ♦ Veleran-tany 15.000 Ha mahery no efa voafendraka fanafody hamonoana valala, ho fiarovana ny volin'ny tantsaha... ♦ Misokatra ankehitriny ny fanadihadiana ataon'ny Rosiana noho ny ambarany fa fanafihana sy asa fampihorohoroana nataon'ny Okreniana tamin'ny alalan'ny fandefasana "drone", teo ambonin'ny lapam-panjakana Rosiana tany Kremlin...

Ny teny dia anisan'ny fitaovana iray hifandraisana, ary ao antin'ny teny no misy ny fifampihainoana. Zo sy adidin'ny olona tsirairay ny miteny, noho izany dia tokony hohenoina izay miteny. Tsy ny teny rehetra no voatery hohenoina satria misy ireo olona izay manana fahazarana miteny ratsy. Efa niova ny soatoavin'ny fifampihainoana ankehitriny, isan'ny anton'izany ny tambajotra-tserasera isan-karazany. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

4 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...