♦ Nisokatra omaly alakamisy ny Fihaonamben'ny Tanora Eran-tany, ho an'ny Diôsezin'i Algarve any Portugal, izay mampiantrano ny delegasiôna malagasy... ♦ Miahiahy ny amin'ny fampidirana anarana vaovao ao anatin'ny lisi-pifidianana, Andrimatoa Paraina Auguste. Izy izay efa nanambara ny maha kandidà azy amin'ny fifidiana izay ho Filoham-pirenena amin'ity taona ity... ♦ Tsy mankasitraka loatra ny hitsabahan'ny vondrona SADEC amin'ny raharaham-pirenen'i Madagasikara ny antoko TGV, hoy ny mpikambana ao amin'ny Birao Pôlitika, Andriamananoro Augustin...
♦ Andro faharoa amin'ny Fihaonambem-pirenen'ny Ankizy ny anio. Tsy manadino azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, araka ny hafatra nampitaina nandritra ny Sorona Masina fanokafana omaly... ♦ Mampirisika ireo maniry ny ho kandidà amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena, hanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, ny Filohan'ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Hiverina hiasa miandalana ny mpiasan'ny CNaPS. Izay no vokatry ny fihaonana teo amin'ny efa-tonta, nahitana ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sôsialy...
Voahozona ny tany : mikomy ny tany, mikomy amintsika ny voahary. Tsy maintsy misasatra sy misahirana ny olombelona mba hamerina amin'ny laoniny ny zava-boahary. Ny olombelona dia tsy maintsy manompo ny zava-boahary : mamelonan mamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
28 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco