Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)

Ny lalàna nomena tamin’ny alalan’i Môizy.

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto tamin’i Môizy nanao hoe:

“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro,
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.

Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.
Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro fahafito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga ianao.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11

Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Maha-te haniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny tohon-tantely mitsonika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

Izay mihaino ny teny ka mahalala azy dia mamoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony:
dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo
no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy,
ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no izay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...