♦ Andro faharoa amin'ny Fihaonambem-pirenen'ny Ankizy ny anio. Tsy manadino azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, araka ny hafatra nampitaina nandritra ny Sorona Masina fanokafana omaly... ♦ Mampirisika ireo maniry ny ho kandidà amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena, hanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, ny Filohan'ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Hiverina hiasa miandalana ny mpiasan'ny CNaPS. Izay no vokatry ny fihaonana teo amin'ny efa-tonta, nahitana ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sôsialy...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...