♦ Nankalaza ny faha-27 taona nijoroany ny Radio Don Bosco ny talata lasa teo. Radio Katôlika ho an'ny Malagasy tantanan'ny fikambanana Saleziana eto Madagasikara. Tsy mirona amin'ny firehen-kevitra pôlitika hoy ny lehiben'ny fikambanana Mompera Innocent Bizimana... ♦ Efa tonga ao amin'ny Diôsezin'i Morondava ny Eveka Mpanampy any amin'ity Diôsezy ity Mgr Jean Nicolas hoamasinina amin'ny alahady ho avy izao... ♦ Tsy hain'ny mpitondra ankehitriny hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga ny mamaritra ny laharam-pahamehana. Tsy mahagaga hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo raha toa ka izao no toerana misy ny firenena...
Maro ny mamboly hazo fa amporisihana hatrany ny tsirairay hanohy izany satria efa lasa nosy mena i Madagasika ilay nosy maitso fahiny ; lasa tany ngazana ilay tanindrazana. Rehefa tsara ny vokatra dia mazot ny olona hisehatra amin'ny fambolena sy ny fiompiana, amporisihana araka izany ny teknisiana hanohy ny asa fikarohana hanatsara masomboly sy taranaka biby fiompy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
29 jona 2023 — Masindahy Piera sy Paoly, Apôstôly — Fankalazana manetriketrika — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)
Tsy hisalasalàna ny hasarobin'ny tontolo iainana, eo koa ny loza mihatra raha simba izy, koa irariana ny mba hatonga saina ny rehetra manoloana ireo tranga ireo. Ny fahadiovana no tsy maintsy hanombohana ny asa momba ny tontolo iainana ; manaraka izany ny fanadiovana sy ny fanarenana ary tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanajariana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco