♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hanatontosana ny Andron'ny Lahika amin'ny taona 2022... ♦ Hitan'i Jesoa ny fifanoherana teo amin'ny fihetsik'ireo mpanora-dalana sy ilay vehivavy mpitondra tena, tao an-tempoly. Nifantoka tamin'io Evanjely io omaly io, ny fampianarana nentin'ny Papa tamin'ny Angelus... ♦ Fahatsirovana, fitiavana ary fankaherezana no hevitra telo nasongadin'ny Papa tamin'ny toriteniny, nanamarihana ny faha-60 taonan'ny sampana fandalinana ny fitsaboana sy fandidiana tao amin'ny Oniversiten'ny Fo Masin'i Jesoa tao Roma...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...