03 aogositra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Lydie avy any Grèce, Asie izy ary nitoetra tao Phillipie. Tao amin’ny seranana atao hoe Égée no nivaro-damba sy nivaro-jaky, ary teo no nifankahitany tamin’i Masindahy Paoly sy i Masindahy Lioka ary i Silasy araka ny voalazan’ny Asan’ny Apôstôly 16, 14-15.
02 aogositra — Teraka tao Paris ny 12 aogositra 1858 i Auguste, Polonais ny rainy, Władysław no anarany, printsy izy io, ary ny reniny kosa Espagnole, Maria Amparo no anarany, zanaky ny mpanjakavavin’i Espagne Maria Christina.
01 aogositra — Teraka ny 27 septambra 1696 tao Naples i Alphonse. Marie Antoine Jean Côme Damien Michel Gaspard de Liguori no tena anarany. Manamboninahitra tantsambo ny rainy, ary taranaka espagnol ny reniny.
31 jolay — Teraka tao Loyola tao Espagne ny taona 1491 i Masindahy Ignace. Niasa tao amin’ny lapan’i Ferdinand V izy, avy eo dia nirotsaka ho tafika mpitaingin-tsoavaly. Tsy dia noraharahiny loatra izany hoe fiainana maha kristianina izany fa dia ny fieboeboana sy ny rendrarendra no tena nitarika azy teo amin’ny fiainany.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco