♦ Hotontosaina ny alahady 11 jolay 2021 ny fanamasinana ho eveka an'i P. Gabriel Randrianantenaina, notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Hotanterahana ny sabotsy 3 jolay 2021 eny Soavimbahoaka amin'ny 10 ora maraina ny Sorona Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana ny maha lehiben'ny Fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes an'i Très Cher Frère Julien Ratsimbazafy...
Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: "Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely." Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: "Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy. Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay, nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny."
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe: "Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?" Namaly Izy ka nanao taminy hoe: "Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahazo na mahalala; ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe: ‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita; fa ny fon’itý vahoaka itý efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.’ Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco