Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny? Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany."
18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.
17 jolay — I Masimbavy Marcelline dia anabavin’i Masindahy Ambroise, eveka tao Milan. Préfet du tribunal des Gaules ny rain’izy ireo. Ny papa Libère no nanolotra an’i Marcelline ny voaly maha relijiozy tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Pierre tao Vatican.
17 jolay — Ny Simon Stock resahana amin’ity volana jolay ity dia iray tamin’ireo anglisy voalohany niditra tao amin’ny fikambanana karma. Teraka ny taona 1165 tao amin’ny faritr’i Kent izy. Rehefa nitoka-monina irery izy dia niditra tao amin’ny fitokana-monina karma. Izay nandraisany andraikitra goavana tamin’ny taona 1224.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco